Sosialy

CNaPS – FJKM Nitohy tany Mevatànana ny fiaraha-miasa


  • Alarobia 12 Jona 2019

Tanjona iraisan’ny CNaPS sy ny FJKM ny hanomezana fiahiana ara-tsosialy ireo mpiasam-piangonana ao anatin’ny synodam-paritany Maevatànana :

 Mpitandrina, Katekista, Delege ary ny biraon’ny fiangonana, izay nampiofanina roa andro. Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasan’ny roa tonta. Niisa 120 ireo mpizaika avy amin’ny Disitrika 3 dia i Tsaratanana, Kandreho ary Maevatanana. Nivoitra tao anatin’ny fiofanana ny tsy maintsy hanoratana amin’ny CNaPS ny mpiasam-piangonana, tsy maintsy efaina ny latsakemboka mba hahazoan’ny mpiasam-piangonana ny tombontsoany manomboka any am-bohoka, mandritra ny andro iasana, ary mandrak’antitra. « Tsy very na lanilany foana ny vola arotsaka any amin’ny CNaPS fa misy lalàna ny fampiasana azy. Ny latsakemboka aloha no mivadika fanampiana. Efa nohavaozina hanaraka ny toetrandro ireo fanampiana omena ny fianakaviana. Noho izany zo sy adidy ny miditra CNaPS», hoy Rtoa Lantonirina Razafindramanitra avy amin’ny CNaPS Foibe . Anisan’ny nangatahan’ireo mpizaika ny mba hampidirana ny aretina tosidra ao antin’ny lisitr’ireo aretina 48 iandraiketan’ny CNaPS satria io no aretina mpahazo ny mpitandrina sy ny katekista.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT