Sosialy

CNaPS eny amin’ny SIM Mitohy hatrany ny fanatonana ny vahoaka


  • Zoma 22 Jona 2018

Mandray anjara feno amin’ny Salon de l’Industrie (SIM) tanterahina eny Tanjombato nanomboka omaly alakamisy 21 jona ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 24 jona izao ny CNaPS. Samy tokony hisitraka ny zo ara-tsosialy tokoa mantsy ny olom-pirenena tsirairay kanefa mbola betsaka ny tsy mahalala ny antsipiriany momba izany ka very zo vokatr’izay.

   Noho izany, miezaka manatona ny olona isak’ireo sehatra samihafa ireo ny CNaPS.« Ny CNaPS no voatondron’ny lalàna iandraikitra ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa eo anivon’ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara. Tafiditra tsara ao anatin’izany ny sehatry ny indostria, tsy miankina no betsaka, noho izany tonga aty ny CNaPS mandray anjara feno mampahafantatra ny anjara andraikiny, ny asa atolony ho an’ny olona, ny antsipiriany amin’ny fomba atao mba hisitrahana ny zo tokony ho azo ara-pianakaviana ahitana ny volan’ny bevohoka, ny volan’ny mpitaiza kely, ny volan-jaza, fa eo ihany koa ny solon-takaitra ho an’ireo tra-doza na marary vokatry ny asa ary farany ilay tena ahalalan’ny maro ny CNaPS dia ny fisotron-dronono…», hoy Ramatoa Randriamasimanana Nivo Sahondra, lehiben’ny sampana serasera eo anivon’ny Tahirim-pirenena. Nohamafisiny ihany koa, fa eo indrindra ireo mpitsidika kendrena hahalala ny asa sahanin’ny CNaPS, ao koa ireo mpandray anjarampampiranty izay tena anisan’ny hatonina satria orinasa marobe no mandray anjara amin’izao SIM izao ary izy ireny dia tena eo anivon’ny sehatra tsy miankina tanteraka. Tsara homarihana fa efa niakatra 20 isan-jato ny fisotroan-dronono tamin’ny 2016 fa izao indray, niakatra ho 5 000 ariary ny volan-jaza raha mbola 4000 ariary izany tamin’ny taon-dasa. Dia tahaka izany ihany koa ireo tolotra hafa, tsy mitsahatra ny manatsara ny CNaPS mba ho amin’ny tombontsoan’ireo mpikambana ao aminy. Efa eo am-piezahana hanitatra hatrany ireo sokajin’olona misitraka ny zo ara-tsosialy sahanin’ny CNaPS rahateo ny tompon’andraikitra tarihin’ny Tale Jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul, ka anisan’ny kendrena amin’izany ny hahazoan’ireo tantsaha ny anjarany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT