Sosialy

CNaPS- DINEC Antsiranana Nahazo fanentanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ireo VRM


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Nitondra fiofanana sy fanentanana mikasika ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo Vondron’ny Ray aman-drenin’ny Mpianatra (VRM) tao amin’ny tapany Avaratra

 

 

 

 amin’ny Diosezin’Antsiranana ny CNaPS na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Delegasiona notarihin’ny Solontenan’ny Tale Jeneraly avy any an-toerana, Ramatoa Riziky Abdou, no  nitarika ny fiofanana, izy no nisolotena ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana, Tsaboto Joslina. Naharitra roa andro ny fiofanana tao amin’ny foibe ara-panahy Masindahy Augustin ao SCAMA Antsiranana. Nisy ny finakalozan-kevitra teo amin’ireo mpandray anjara sy ny mpampiofana ny CNaPS hanamora ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny fiahiana ara-tsosialy sy ny mba handresen’izy ireo lahatra ny mpiara-miasa aminy eny anivon’ny toeram-piasana misy azy ireo tsirairay fa tena zava-dehibe tokoa ny CNaPS. Izay rahateo moa no tanjona amin’ny fisian’ny fiofanana. Faritra roa no mandrafitra ny diosezy Antsiranana (SAVA sy DIANA) fa ireo amin’ny tapany Avaratr’i DIANA no nofanina nahitana ny Vondron’ny Ray aman-drenin’ny Mpianatra (VRM) avy amin’ny sekoly avy eo Agnaboranofasy, Ambilobe hatrany Antsiranana I sy Antsiranana II. Ambanja sy Nosy Be kosa tsy tafiditra tao anatiny. Nohazavaina tamin’ireo mpiofana ny antom-pisian’ny CNaPS sy ny andraikitra sahaniny ho an’ny mpiasa tsy miankina,  ireo fepetra rehetra ahazoana miditra ho mpikambana. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ireo karazana tolotra omen’ny tahirim-pirenena dia ny fiahiana ny fianakaviana, ny solon-takaitra raha misy ny loza am-perinasa na ny aretina vokatry ny asa ary koa ny fisotroan-dronono. Izao moa dia fanohizana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CNaPS sy ny Foibe nasionalin’ny Fanabeazana Katolika na DIDEC izay efa nanomboka tamin’ny taona 2016. « Ny tanjona voalohany dia fianarana ny lalàna ary koa ny hijerena fomba hampahafantarana izany ny maro mba hahazoan’ny tsirairay misitraka ny fiahiana ara-tsosialy, izay zo fototra ho an’ny rehetra », hoy Rabenandrasana Alfred, Tompon’andraikitry ny fiofanana sy mpandrindra ny « Activité Parascolaire », eny anivon’ny Foibe ny Fanabeazana Katolika eto Madagasikara.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT