Sosialy

CNaPS - DGI Napetraka ny rafitra E-salariés


  • Talata 15 Septambra 2020

12%n` ireo orinasa eto Madagasikara ihany no manao filazana karama sy fanambarana ny mpiasa ara-dalàna eo anivon` ny CNaPS.

 

 Vitsy amin` izy ireo anefa no mahalala ny tombotsoa misy eo anivon` ity sampandraharaha misahana ny fiahiana ara-tsosialy ity. Napetraka ny rafitra E-salariés, izay fomba fiasa manaraka ny teknolojia amin'ny fandoavan-ketra ataon' ny orinasa, mba hanamorana ny mpikambana hisitraka ny tombony izay eo anivon` ny CNaPS. Tsotra ho an`ny mpikambana ihany koa no mijery manao ny mombamomba ny mpampiasa iray sy ny mpiasa iray raha mihoatra ny filazan-karama sy fandrotsahana latsakem-boka ataony. Ankoatra izay dia tombotsoa goavana azo amin` ity E-salariés ity koa ho an` ny CNaPs sy ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra (DGI) ny fahafahana miaraka mikirakira ny vaovao indray mandeha lasa fikirakirana vaovao tambatra raha toa ka samy manana ny azy ny tsirairay avy teo aloha. Araka izany, raha teo aloha ny mpampiasa manao filazan-karama mitokana sy filazan-ketra mitokana, ankehitriny dia afaka miaraka ato izany amin` ny alalan` ity rafitra vaovao ity. Hanafoanana tsikelikely ny fikirakirana taratasy sy hidirana amin` ny teknolojia vaovao no tanjona amin` izany. Omaly no notanterahina teny Antaninarenina ny fanasoniavana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny CNaPS sy ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra (DGI) ary ny PAPSP amin'ny fametrahana ny Rafitra E-salariés.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT