Sosialy

CMH – Antananarivo renivohitra 451 ireo fandikan-dalàna tao anatin’ny iray volana


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nitohy tetsy amin`ny lapan`ny tanàna Analakely ny fampiofanana izay nataon` ny CUA mikasika ny fampahafantarana sy fampatsiahivina ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikolokolom-pahasalamana (CMH) izay andiany fahaefatra.

 

 

 

Nandray anjara tamin` izany ny mpanolotsaina monisipaly sy ny solontenan` ny mpanao gazety ary ny solontena avy amin`ireo ministera. Tanjona dia ny fampahafantarana ny CMH sy ny lalàna mialohan`ny fampiharana ny paikady. Eo ihany koa ny fisorohana ny kolikoly ao anatin`ny fampiharana izany. Teo koa ny fanamafisana ny fahaiza manao sy ny fifampizarana traikefa. Voaresaka ihany koa ny fahafantarana ireo andinindiny mahakasika amin`ny ady amin`ny Covid 19. Raha ny tatitra fohy nataon` ny teo anivon` ny CUA dia maro ireo tranga fandikan-dalàna tratra mahakasika ny CMH raha ny 24 aogositra hatramin` ny 17 septambra teo no lazaina. Miisa 137 ny tranga fanaovana maloto an-kalamanjana. Miisa 204 ny fandikan dalàna amin`ny fanasan-damba amin`ny toeram-bahoaka. 42 ireo nanasa fiara amin`ny toeram-bahoaka. Fampidirana am-balan-tsazy sy fanakatonana “bouffe mobile” dia miisa 02. Ny fanesorana kioska dia miisa 66. Mbola ao anatin` ny fampianarana ny CMH aloha fa tsy mbola nihatra ny sazy. Marihana fa ny volana septambra teo no efa nanomboka ity fampiofanana ity ary hifarana ny 13 novambra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT