Sosialy

Clémence Raharinirina « Mpanao didy jadona ny ben’ny tanànan’Antananarivo »


  • Zoma 12 Jona 2020

Tsy refesi-mandidy ary tena marina ny fambarany hoe « tsy baikon’iza na iza » ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny hoy ny mpanolo-tsaina eo anivon’ny kaominina, Clémence Raharinirina omaly.

 

 Efa notsipahin’ny mpanolo-tsaina ary tsy lany hoy izy ny fandravana ireo tsena eto Antananarivo nefa dia iniana atao ihany. Na ny teny anivon’ny tribonaly ihany koa aza dia efa nandray fanapahan-kevitra hanajanona tanteraka ny fandravana saingy tsy miraharaha an’izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny. Nilaza Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy fotoanan’ny famotehana fananan’olona izao ary hiezaka ny hiady hatramin’ny farany ny tenany amin’ny fiarovana ireo rava tsena tahaka ny teny Ambodifilao sy ny manodidina. Misy ambadika politika Nilaza ihany koa ireo mpivarotra fa misy hatrany ny ambadika politika satria ny fotodrafitrasa izay namboarin’ny mpitantana ny tanàn’Antananarivo teo aloha, Lalao Ravalomanana rehetra dia ezahina potehina avokoa ankehitriny. Nitaraina izy ireo fa tsy mba misy fifampiresahana kanefa manana ny fahazoan-dalana nanorina ary nahazo alalana tamin’ny kaominina izy ireo tamin’ny fotoan’androny. Ara-dalàna ary mandoa ny patanty sy ny vola rehetra tokony naloa izy ireo nandritra izay ela izay ary nandany an-tapitrisany maro. Farafaharatsiny mba nisy fampiantsona na fiheverana ny famerenam-bola tamin’ny lanin’izy ireo saingy didy jadona sy ny fanaparam-pahefana no atao ankehitriny.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT