Sosialy

Clémence Raharinirina « Mandrodana ihany, mandrodana hatrany ny CUA »


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Raha maro ireo efa misomebiseby amin'ny fanomanana ny fetin'ny faran'ny t

 

 

aona sy ny fitsenana ny taom-baovao dia mangidy kosa ny vanin'andro fety ho an'i Mme Zo sy ny ankohonany izay manana toeram-pivarotana eny Analamahitsy, eny am-pitan'ny EKAR, hoy ny tatitry ny mpanolontsainan’ny tanànan’Antananarivo, Clémence Raharinirina omaly. Androany (TTF: Omaly) vao maraim-be dia efa tazan'izy ireo nihaodihaody teny amin'ny manodidina ny andiana polisy nasionaly, polisy monisipaly ary mpamonjy voina marobe. Anton-dian'izy ireo ny handrodana ny tamboho sy ny trano misy ny toeram-pivarotan'izy ireo izay marihina fa toeram-pivarotana "pièces détachées". 48 ora ny fe-potoana nomena saingy raha ny 29 desambra no voarain'ireo voakasika ny taratasy dia omaly tamin'ny 07 ora maraina dia efa nanomboka ny fandrodanana satria hono tanin'ny CUA io tany io ary tsy manana fahazahoan-dalana hanorina izy. Tsy tokony misy anefa izao fandrodanana izao satria nisy ny fanapahana noraisin'ny filankevitra Monisipaly tamin'ny 1999 nanaiky soamantsara ny fampanofana io tany io izay dimy taona azo havaozina ny faharetany. Tsy nisy ny fanavaozana na fanafoanana izany fanapahana izany ary ireo olona ireo dia nakan'ny CUA hetra foana nandritry ny 21 taona tsy tapaka. Raha lazaina fa tsy manana fahazoan-dalana ireo olona ireo dia anjaran'ny kaominina ny manao izay haha ara-dalàna izany satria trano efa mitafo no nisy teo. Raha eto Antananarivo rahateo dia aman'arivony maro ireo trano tsy manana fahazoan-dalana ka ho arodana toy izao daholo ve? Mandrodana ihany, mandrodana hatrany no hain’ny CUA, hoy izy.
 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT