Sosialy

Cité Baomba Ivato Mafotaka indray ny ady tany


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Mitaraina ireo olona rehetra izay mamboly legioma eny amin’ny Cité Baomba Ivato noho ny tsy rariny mahazo azy ireo amin’ny fanapotehana tsotra izao ny volin’izy ireo izay tena miantoka ny fidiram-bolany ataon’ireo hanorina fotodrafitrasa eo amin’ny toerana.

Efa nisy ny didim-pitsarana izay nandrara ireo mpanorona fotodrafitrasa ireo tsy hanatanteraka ny asany  nefa dia mbola manao amboletra ihany izy ireo ka nanorina tamboho. Tonga teny ny ao amin’ny kaominina Ivato nanatsahatra ireo mpiady fototra tamboho, ary dia raikitra ny fifamaliana teo amin’ireo mpiasa sy ny fokonolona ary dia natsahatra indray aloha ny fanamboarana. Tsy nanaiky mihitsy ireo tantsaha izay efa nanajary ity tany ity efa ho 30 taona raha kely indrindra. Tsy zakan’ireo tompon’ny fambolena mihitsy ny volin’izy ireo izay no  nopotehina sy noravan’ireo mpanamboatra tamboho ary dia miantso ny tomponandraikitra mahefa izy ireo mba hijery izao zavatra tsy rariny atao aminy izao fa mety hiteraka ady amin’ireo mponina eny an-toerana ity resaka tany eny Cité Baomba ity raha mbola mitohy ny fanorenana atao.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT