Sosialy

Cité Andranoambo Boriborintany I Notoloran’ny CUA sy ny CDA jiro avy amin’ny masoandro


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo fitaovana manazava ny tanàna na « Plaque solaire », fitaovana manome jiro avy amin’ny masoandro,

 tetikasan’ny « Association EZAKA », tao amin’ny « Cité » Andranoambo fokontany Andohatapenaka III Boriborintany voalohany kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Niisa 13 teo ireo « Association » teny anivon’ireo fokontany izay niasan’ny CDA (Centre de Developpement d’Andohatapenaka) no tonga nisoratra anarana. Ny 11 tamin’izy ireo ihany no nanolotra ny tetikasany ary ny 3 kosa no nahazo loka. Ny Association EZAKA no nandrombaka ny laharana faha-2 tamin’ity fifaninanana ity, ka izay indrindra no nahazoany famatsiam-bola nitentina 5 tapitrisa Ariary mba ho fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo dia ny fanazavana ny tanànany amin’ny alalan’ny jiro avy amin’ny masoandro. Tsara ny manamarika fa niaina tao anaty haizina tanteraka ity « Cité » ity tao anatin’ny 10 taona niorenany, zary lasa nanjakan’ny tsy fandriampahalemana ka nahatonga ny fikambanana EZAKA nanatontosa izao tetikasa izao niaraka tamin’ny CUA. Araka ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana dia faly izy ireo satria dia efa volana maromaro no nisitrahan’ireto farany ny fahazavana. Ny CDA sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra no namolavola ny tetikasa ary ny fampiroboroboana ny fitondrana tsara tantana eny ifotony amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny tsirairay no antony. Tamin’ity indray nitoraka ity dia ny elakela-trano no nanombohana ny tetikasa tamin’ny alalan’ny fametrahana “projecteurs” 27 manodidina ny tanàna. Mbola ho avy ny fahazavana isaky ny tokantrano tsirairay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT