Tamin’ny sabotsy 21 jolay lasa teo no nampahafantarina tetsy amin’ny Cité Ampefiloha ny hetsika hotanterahin’ny fikambanan’ny zokiolona ao amin’ny volana septambra 2018.
Manodidina ny 1000 mahery eo ho eo ny isan’izy ireo ary manana fikasana hikarakara fampisehoana hiarahana amin’ireo mpanakanto mipetraka sy efa nipetraka teny amin’ny fokontany Cité Ampefiloha. Tsiahivina fa nitsangana tamin’ny taona 2010 ny fikambanana ary 60 taona no mihoatra ny mpikambana ao. Tanjona ny fifampitsimbinana sy fanatsarana ny toe-piainan’ny zokiolona ao amin’ny fokontany ary indrindra ny hanamboarana ny foiben’izy ireo zokiolona eo amin’io fokontany io. Efa manana tany izy ireo saingy ny vola hoenti-manainga ny trano no olana araka ny tatitr’i Bekoto ao amin’ny tarika Mahaleo sady mpikambana. Araka izany dia fampisehoana hakana tombony anaovana ny asa no hatao izay iarahana amin’ireo mpanakanto efa nipetraka tao amin’ny Cité Ampefiloha tahaka an’i Bekoto, Firmin, Solika, Jeneraly, Balafomanga. Ankoatr’izay dia hatao izao hetsika izao mba hampandrosoana ny fokontany ho modely satria hisy ny fanentanana ny amin’ny fanadiovana ny tanàna, ny fanaovana fanatanjahantena.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.