Miisa valo ireo zazamenavava teraka tao amin'ny CHRD Itaosy ny alin'ny 24 desambra teo.
Zazavavy kely iray no teraka tamin'ny misasak'alina, tokony ho tamin'ny 12 ora sy 20 minitra, teraka ara-dalana fa tsy nodidiana. Zaza miisa telo kosa no teraka omaly alarobia 25 desambra hatramin'ny 12 ora atoandro ka ny roa nodidiana ny reniny, ny iray kosa teraka ara-dalana. Nambaran'ny mpampivelona nanaovana ny fanadihadiana fa ireo vehivavy mikasa ny hiteraka any amin'ny tsy miankina ka tojo olana matetika no tsy maintsy mandalo fandidiana rehefa tonga ao amin'izy ireo. Ireo vehivavy efa misafo ao amin'izy ireo kosa matetika eo amin'ny fahavalo volan'ny kibony dia efa fantatra fa mety handalo fandidiana ka efa miomana mialoha. 16 taona no zandriny amin'ireo renim-pianakaviana tonga miteraka ao amin'ny CHRD Itaosy raha 48 taona kosa no zokiny indrindra. Na izany aza anefa dia tsy voatery handalo fandidiana izy ireny, hoy hatrany ity mpampivelona ity.12 isan'andro amin'ny ankapobeny ireo renim-pianakaviana tonga miteraka ao amin'ity hopitaly iray ity raha mahatratra 17 rehefa tena betsaka. Roa moa ireo rasazy niandry raharaha tao amin'ny CHRD Itaosy omaly, roa ihany koa ny dokotera niampy interne roa sy mpianatra asa telo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.