Sosialy

Chômage technique Nivadika ho fandroahana mpiasa


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Betsaka ireo olona misedra olana amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao. Lohalaharana amin’izany ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa afaka haba.

 

 

 

 Misy ireo nalefa chômage technique tsotra saingy mihitsy ihany koa ireo tonga dia notsofina rano mihitsy toy ireo mpiasa tsy raikitra. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona Raim-pianakaviana iray antsoina hoe : William dia rehefa tapitra ny fotoanan’ny fihibohana vao miverina maka ny tombon-kandrony izy ireo. Vao nanomboka ny fihibohana hoy hatrany ity Raim-pianakaviana ity dia nojerena avokoa ny antontan-taratasin’ireo mpiasa tsy mpiasa raikitra toy azy izay havaozina isaky ny enim-bolana ny fifanaraham-piaraha-miasa aminy…Ho an’ny orinasa izay hiasany manokana dia an-jatony ireo mpiasa tsy raikitra lasibatr’izany hany ka mahatsiaro ho very fanahy mbola velona izy ireo. Ny eo am-pelatanana anefa efa tsy misy intsony, ny tena mandoha hofan-trano, ny mpianatra mianatra, ny jirama tsy maintsy aloha… Ho betsaka ihany ireo Malagasy tsy maintsy hatory eny an-dalambe hoy ity Raim-pianakaviana iray ity raha mitohy izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT