Sosialy

« Chenille légionnaire » sy ny valala Niampy ny foto-drafitrasa hiadiana amin’izy ireo


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

50 000 hektara latsaka ny velaran-tany misy valala amin` izao fotoana izao eto Madagasikara. Hafahana miantoka tanteraka ny fifehezana an` izy ireo dia nahazo "Gîte d'étape" ho an'ny Ivontoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM) sy ny fampitaovana ny trano vaovaon'ny laboratoaran'ny fitantanana ny fiarovana ny zava-maniry ny sampan`asa miaro ny voly eny Nanisana.

 

 

 

 Natao hohamafisina ny ady amin`ny biby kely “chenille legionnaire” ihany koa ity ivotoerana natao ho famongorana valala miditra eto Antananarivo izay mifandray amin`ny foibeny any Toliara.Araka izany, nahazo fotodrafitrasa roa sy fitoavana aro fomba fitiliana (laboratoire) hanatsarana amin`ny fomba fiasa amin`ny fifehezana ny biby kely mpanimba voly ny Ministeran`ny fambolena sy fiompiana. Tonga nitokana izany ny Filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, omaly ka nandritra ny lahateny izay nataony dia nanambara izy fa ny antom-pisian'ny tsipi-panohizana teo amin'ny fitantanana ny firenena no mampiseho ny fisian'ny fitantanana nandritra ny fifidianana, ary ny fitohizan'ny raharaham-pirenena, tahaka ny fanolorana ireo fotodrafitrasa vitan'ny fitondram-panjakana ireo. Hita taratra ny ezaka efa vita ampy arovana ny paikady efa natao saingy mbola mitohy ny ezaka hamongorna azy hatramin`ny farany. Ankoatr` izay, nahazo « Pulverisateurs” miisa 44, GPS maromaro sy « Moto» 10 hanampiana ny ady amin`ny « chenille legionnaire » nomen`ny FAO ny sampan`asa miaro ny voly etsy Nanisana

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT