Sosialy

CFP ALTHERA Miarinarivo Nankasitraka ny Antoko Tia Tanindrazana


  • Alatsinainy 19 Jolay 2021

Naneho am-pifaliana ny fisaorana avy amin’izy ireo ny Mpitantana ao amin’ny CFP ALTHERA «Service-Info» ao Miarinarivo tarihin’ny Tale Atoa Ranarison Therre Alphonse,

 

 miaraka amin’ireo Mpianatra (andiany faha-25) manovo fahalalana amam-pahazana ao sy ireo olona rehetra mpahazo tombontsoa amin’io Ivon-toeram-piofanana io (ny Association asA NO KAbary (Fikambanana ifanohanana miaraka olona sembana, ny Association sportive ALSIM, sy ny maro tsy voatarisa, ny sabotsy 17 jolay teo. Manantitra ny fisaorana sy fankatelemana anareo Mpikambana rehetra ao amin 'ny Antoko politika « Tia Tanindrazana », tarihin'Andriamatoa Filoha Mpanorina, Razafinjoelina Tahina, mivady: tamin’ny namalianareo ny antso izay nataonay sy nanekenareo an-kitsi-po, ho mpiara-miombon’antoka aminay, aman’ny asa fanabeazana sy fanofanana ny tanora, izay nanolorantsika tena, ka nanomezanareo fitaovana maromaro toy ny solosaina entin-tànana ny ivon-toeram-piofanana izay notanterahin’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Antoko Atoa Schall Ramanantsoa, ny sabotsy 05 jolay 2021 lasa teo », hoy ireo fikambanana. Kely sy bitika », hoy ianareo. « Santatra ihany», hoy ianareo, kanefa, hoy izahay hoe: « Bitika aminareo mpanolotra, tompoko, fa lehibe kosa aminay notolorana », hoy hatrany izy ireo. Nambarany fa raki-tsoa no natolotra satria ny hazo mety ho boboka, ny vy mety ho lo, ny vola mety ho lany; fa ny fahaizana amam-pahalalana tovozina avy fitaovana nositrahana kosa dia tahaka ny loharano tsy manam-paharitana, raki-tsarobidy tsy manam-paharoa.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT