CENTRE ZAZA TIAKO

Manampy ireo ankizy nanana olana tany am-pianarana


  • Talata 14 Jolay 2026

Paikady iray hampiasain'ny Ray

aman-dReny indrindra rehefa vakansy lehibe tahaka izao ny mandefa ny menaky ny ainy manao colonie des vacances na koa mandefa azy eny anivon'ireny centre ireny. Ireo ankizy tsy afaka miala sasatra mivoaka ny renivohitra amin'ny ankapobeny no tena voakasik'izany. Ho an'ny Centre Zaza Tiako eny Ambatobe ohatra dia hanala ireo ankizikely ao anatin'ny tebiteby sy ny tahotra no tena tanjon'izy ireo. Lohalaharana amin'ireny ireo ankizy nanana olana tany am-pianarana. Voakapoka na voatrerotra ohatra ka lasa tsy mazoto intsony. Miezaka ny manatona sy manakaiky azy ireny ny Centre Zaza Tiako, indrindra fa ireo mpampianatra. Tsy misy mihitsy ny elanelana mandritra izany hoy ny tompon'andraikitra fa afaka miresaka tsara ny olana mahazo azy ilay ankizy na any an-trano izany na any am-pianarana. Tsy mifantokabe amin'ny resaka soratra ihany koa fa mianatra manao asa tanana maro samihafa mba hampialana voly ny saina....3 ka hatramin'ny 10 taona moa ireo ankizy azon'izy ireo raisina an-tanana.
Pati
Légende : Mila tambitamby sy hafaliana ny ankizy any am-pianarana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT