Sosialy

Centre Fanantenana Anosizato Hahazo rano fisotro madio


  • Talata 19 Mey 2020

Taorian’ny fanombohan’ny asa fanavaozana ny Centre Fanantenana etsy Anosizato izay nametrahana ireo olona mpatory an-dalana misy ireo zaza

 

 

 

kamboty sy tsy manam-piahy ka nanomezana azy ireo trano fidiovana sy trano fivoahana dia hahazo rano fisotro madio indray izy ireo. Vola mitentina 18.000 dolara no natokan’ireo mpamatsy vola tera-tany Sinoa hanatanterahana izany amin’ny alalan’ny fametrahana siniben-drano goavam-be eny an-toerana. Tanjona ny hanazarana ireo ankizy nadinika sy renim-pianakaviana ho tia sy hanaja ny fahadiovana, fototra iray hahafahana mandresy ny COVID 19 eto amintsika. Ankoatra izay dia mbola notoloran’ity mpamatsy vola ity vary milanja 1 taonina sy menaka 6 baoritra ihany koa izy ireo, , natrehin’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tanjon’ny roa tonta moa ny hamolavolana ireto ankizy sy fianakaviana sahirana ireto ho tonga olom-banona rehefa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo. Anisan’izany ny ady amin’ny loto sy ny fahantrana izay tena manimba ny maha-olona tokoa.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT