Sosialy

CCO Kere - CRNM 6 miliara ariary mahery ny tetibolany


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Napetraka tao Ambovombe sy tao Amboasary, roa herinandro lasa izay, ny

 

 

“Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere”, na ny CCO-K, ho an’ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy. Araka ny fampitam-baovao dia mitentina 6 991 997 500 ariary ny tetibola natokana ho amin` izany. Izany dia atokana amin` ny fametrahana ny banky ara-tsakafo, fizarana sakafo mafana ho an` ireo zaza 20 000 ary vehivavy bevohoka sy mampinono 1000. Atokana ihany koa ho amin` ny famatsiana rano fisotro madio ho an` ireo tena sahirana sy hanohana ara-bola fiavanakaviana 14 200, hanarahana maso an`ireo olona tsizarizary ny sakafony, ary ny fampandehanan-draharaha eo anivon` ireo rafitra misahana izany dia ny CCOK sy ny CRNM. Ny tanjona moa dia ny hitondra vahaolana maika dia maika, sady hametraka rafitra mba hahafahantsika miady amin’ny fomba maharitra amin’izao kere izao, aty amin’ny faritra Atsimo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT