Sosialy

Carolus Andriamahitsinoro Nijanona ao Arabia Saodita indray


  • Alahady 06 Oktobra 2019

Niova klioba fa mijanona hilalao ao amin'ny Diviziona voalohany ao amin'ny Saudi Pro League, fifaninanam-pirenena ao Arabia Saoudita, ihany ilay lohalaharan’ny ekipampirenena malagasin’ny baolina kitra, Carolus Andrea na Carolus Andriamahitsinoro

 

 

, izay mpilalaon’ny El Adhal FC teo aloha. Fantatra ankehitriny fa dia hilalao miaraka amin'ny klioban’i Al Qadsiah Al-Khubar FC indray ity Barea ity, raha toa ka efa nalaza hifindra ao amin’ny Fujairah sport club ao Emirats Arabes unis. Ekipa izay nitana ny laharana faharoa tao amin'ny diviziona faharoa tamin'ny taom-pilalaovana farany teo, ary izao tafita hiakatra ao amin'ny diviziona voalohany izao ny Al Qadsiah. I Carolus izay, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, hatreto dia tsy afaka ny hiatrika ny fampivondronana voalohany sy faharoa eo anivon’ny ekipam-pirenena Malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT