Sosialy

Carnaval MOTOCAN 2019 Hanohana ny BAREA ireo « 2 roues »


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Hiray hina, hanohana ny Barea, izay ekipa Malagasy miatrika ny lalao baolina kitra mandritra ny CAN, ireo mpankafy “2 roues” na “moto” eto Antananarivo.

 

 

 Amin’ny alahady izao, ny 7 jolay, no hanatanterahana an’ity “carnaval” ity etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka amin’ny 2 ora tsy diso. Hihazo an’Anosy, Analakely, Antanimena, Ankorondrano ny “Carnaval”, ary hiverina eo Mahamasina indray. Nambaran’ny mpikarakara fa maitso, fotsy ary mena ny fanamiana hanaovana. Ireo mpikambana anaty vondrona mpankafy “moto” sy marika “moto” manokana toy ny SGT, TEAM Glide, ary ireo “team” maro na manana “moto” fotsiny no antsoina amin’izany. Nanentana ireo ho tonga ihany koa izy ireo mba hitondra vovozela, sainam-pirenena, “siflet”. Marihina fa amin’ny alahady amin’ny 7 ora hariva no lalao manaraka hifanandrinan’ny Barea amin’i Congo.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT