Sosialy

CANAL PLUS Madagascar Hanokatra ilay fahitalavitra “Père noel” ho fiatrehana ny fety


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Herinandro telo eo sisa no isaina dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona isika. Ho famalifaliana ny mpanjifa rehetra dia hiverina hanokatra indray fahitalavitra “Père noel” ny Canal Plus Madagascar.

 

 Ho azon’ireo mpanjifan’ny Canal Plus manerana ny Nosy jifaina izany hatramin’ny fahafiton’ny volana Janoary taona 2019 ho hanomezana fahafaham-po azy ireo. Ho an’ireo mbola tsy manana Canal kosa dia hojerena manokana ihany koa izy ireny. Ho maimaim-poana mantsy ny vidin’ny décodeur an’ny Canal Plus hatramin’ny 24 desambra ho avy izao raha misafidy  ilay tolotra Evasion+, raha araka ny fanazavan-dRtoa Onjatiana Razafindrakoto, tale jeneralin’ny Canal Plus vaovao. Ankoatra izay dia hahazo 15 andro amboniny amin’ny tolotra izay novidiany ireo mpanjifa teo aloha sy vaovao vao hiditra, tolotra tsy handoavam-bola. Tsiahivina moa fa zavatra betsaka sy vaovao no nataon’ity orinasa iray ity tamin’ny taona 2018. Anisan’ireny ny fahatongavan’ny  “application” IROKO+,  izay ahafahana mijery ireo fahitalavitra izay tsy amin’ny alalan’ny finday na ny tablety. Fahitalavitry ny Canal plus irery ihany no hita ao anatin’izany ka azo jerena na dia eny am-pandehanana aza.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT