Sosialy

Canal + Madagascar Lasa 5 000 Ariary ny Décodeur


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Niampy 3 indray nanomboka ny 23 janoary ny “chaînes” vaovao atolotry ny Canal + Madagascar ho an’ ny mpanjifany dia ny TFX, ny Nollywood Tv Epic ary ny A+Sport.

Fantatra fa handefa manontolo ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra hatao any Rosia ny volana jona sy jolay izy ireo.  Nasiana fanatsarana koa ny My Canal, sehatra izay ahafahan’ny mpanjifa, manaraka sy mijery ireo fandaharana sy horonantsary  rehetra alefan’ny Canal +  amin’ny finday, ny solosaina na ny tabilety. Tombon’ity sehatra ity ny ahafahan’ireo mpanjifa mijery ireo fandaharana efa nandeha tamin’ny fahitalavitra na dia tsy tratran’izy ireo aza ny ora nandehanan’izany. Ahafahan’ireo mpanjifa misafidy amin’ny horonantsary izay voarakitra ao anatin’ny tahirin’ny My Canal koa izy ity. Niampy 25 rahateo ny “chaînes” azo jerena mivantana ao amin’ny My Canal nanomboka tamin’ity taona ity. Nanomboka tamin’ity taona ity dia misokatra maimaimpoana ho an’ny mpanjifan’ny Canal+ rehetra ny My Canal raha mpanjifa izay mampiasa ny “bouquet Evasion + sy Tout Canal + ihany no afaka nampiasa izany tany aloha. Niampy “chaînes” 8 etsy an-daniny ny “bouquet Evasion +” izay nasian’izy ireo fihenam-bidy koa. Lasa 5000 Ariary manomboka izao raha ny vidin’ny “décodeur” raha 10 000 Ariary tamin’ny taona 2016. Tanjon’izy ireo amin’izany ny hananan’ny Malagasy televizionina nomerika isan-tokantrano.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT