Sosialy

CALL CENTER Mikarama 500.000 Ar isam-bolana ny tanora iray


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Asa tena miroborobo ary mamelona tanora maro eto amintsika ny “Call Center” ankehitriny. Manoro hevitra ireo mpanjifa teratany

 

 

 

 

vahiny no tena hatao amin’izany ka ny fahaizana mifehy ny teny frantsay izany hoe : mihaino sy mamaly no tena ilaina amin’izany, tsy hitakiana diplaoma saingy nandalo tao amin’ny kilasy famaranana kosa farafaharatsiny, ary feno 18 taona. Mikarama 500.000 Ar isam-bolana ny tanora iray miasa amin’izy ireny, raha araka ny fanadihadiana natao. Ora valo isan’andro izy no miasa, mahazo fakan’aina roa andro isan-kerinandro miampy ireo karazana tombontsoa maro samihafa. Betsaka ireo tanora roboka amin’io asa iray io vokatr’izany, antony nanosika ny ABC School etsy 67 ha, hanome fiofanana ireo tanora liana amin’ity asa iray ity. Iray volana monja ny fiofanana raha afaka misafidy izay ora mahamety azy ny mpianatra tsirairay saingy mianatra isan’andro kosa. Tanora miisa 80 indray no navoakan’ity ivontoeram-pampianarana ity ny faran’ny herinandro teo nahazo ny diplaoma momba ny fahaizany mifehy ny resaka call center. Andiany fahatelo izy ireo izay marihina fa tovovavy avokoa ny ankamaroany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT