Sosialy

By-pass Niha vitsy ireo mpitsangatsangana


  • Talata 19 Aprily 2022

Vitsy ireo mpitsangatsangana tazana teny amin'ny By pass omaly alatsinain'ny Paska raha oharina tamin'ny 3 taona lasa.

Raha saika feno olona hatrany ohatra ny manamorona iny lalam-baovao mikodana iny dia teo akaikin'ny tetezana efa hiampita ho any Alasora ihany sisa no nahitana izany, toeran nahitana ilay manezy mihodinkodina ireny sy ireo karazana lokalokakely. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'olona maromaro dia noho ny fahasahiranan'ny isan-tokantrano, ny tsy fisian'ny taxibe ary indrindra ny tsy fisian'ny fandriampaha lemana raha sanatria ka tara fodiana no nanosika ny sasany tsy hivoaka fa nijanona tao an-trano omaly. Ho an'ireo taxibe sasany ao amin'ny zotra F izay mandalo any amin'iny faritra By pass iny tokoa mantsy omaly dia tena vitsy izy ireo. Nisy ihany koa ireo sahy nampiakatra saran-dalana hatrany amin'ny 1500 Ar niainga teny Anosy ka izay tsy sahy mijanona. Toraka izany koa ireo taxibe niazo an'Alakamisy Fenoarivo sy Vontovorona izay vao maraina dia efa nanahirana ny mpandeha omaly maraina ary mbola nampiakatra saran-dalana hatrany amin'ny 2000 Ar ihany koa omaly hariva. Naleon'ny sasany araka izany nijanona tao an-trano naka aina no sady tsy lany vola hiatrehana ity herinandro vaovao efa an-tanan-dany ity indray.
Pati
Legende : Mbola tazana tety foana ny manege sy ireo karazana lokalokely

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT