Sosialy

Boriboritany fahatelo Mivaralila tanteraka ny famatsiana herinaratra sy rano


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Mivaralila tanteraka ny famatsiana herinaratra sy rano ao amin’ny boriboritany fahatelo

amin’izao fotoana izao, raha ny fitarainana voaray avy amin’ireo mponina. Tsy tonga isan-tokantrano intsony, efa ho tapa-bolana izay, ireo mpanamarika ny kaontera na fanisana ny lany mikasika izay fampiasana herinaratra sy rano izay. Tsy tonga ny mpanatitra faktiora fa lasa ny mpanjifa indray no voatery manatona ny ivotoerana misy ny JIRAMA haka izany no sady handoa vola rahateo, hoy ny fitarainan’ny mpanjifa sendra anay teny Mahavoky Besarety. Ny rano efa 2 andro izay no tsy tonga intsony isan-tokantrano, hoy kosa ny fitarainan’ireo mponina eny Ambohitrakely.
Nangonin’i J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT