Sosialy

Boriboritany fahadimy Zazalahy miisa 150 no natao didimpoitra faobe


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Feno 15 taona ny fiaraha-miasan’ny fikambanana FAFI-5 Rantsana fanantenana tarihin’ny filohany, Hanitriniala Fanantenana Raholdina, sy ny klinika Fidy teo amin’ny fanaovana didimpoitra faobe.

 Niisa 150 isa ireo zazalahy natao izany tamin’ity noho ny hahamehana ara-pahasalama raha 300 mahery taloha. Efa nisy ireo natao izany ny fiandohan’ny ririnina, hoy ny fanazavana, dia izao notohizana izao indray. Didimpoitra amin'ny fomba amerikanina, izany hoe. tsy misy ra mandeha no natao. Ara-pahasalamana, ara-pomban-drazana, araka ny maha Kristianina izany, hoy ny fanamarihana. Filamatry ny fikambanana ny hoe " Miaro sy manasoa vahoaka » ary isan’izany hatrany izao didim-poitra faobe amin’ireo fokontany anaty boriboritany fahadimy izay hiadidian’ny depiote, Naivo Raholdina mivady izao. Ankoatra izay moa dia nomen’izy ireo kilalao , vatomamy, bisikoitra, sokola ireo ankizy. Ireo ray aman-dreny kosa dia notolorana filana andavanandro toy ny vary , menaka , siramamy, savony sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT