Sosialy

Boriboritany fahadimy Mandrifatra indray ny fahatapahan-jiro sy rano


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

3 andro misesy izay dia saika ahenoana fahatapahan-jiro sy rano matetika indray iny boriboritany fahadimy iny. Efa ela no nanaovan’ireo tomponandraikitra eny an-toerana toy ny delegen’ny boriboritany

 sy ireo depiote ny tatitra sy ny fitarainana momba ny fijalian’ireo mponina misedra izany toy ny eny Analamahitsy, Manjakaray sy Ambatomainty ary Amboditsiry iny. Isan’ny vahaolana napetraka ny resaka karazana sinin-drano ho fampiakarana ny tosiky ny rano eny amin’ireny faritra ireny saingy tsy naharitra fa dia izao miverina izao indray ny fijaliana eo amin’ny resaka rano sy jiro. Mifandimby ny fahatapahana tato anatin’izay 3 andro izay. Raha maraina no tapaka ny rano dia ny jiro indray ny hariva na mifamadika amin’izay ihany koa indraindray. Andrasana araka izany ny vahaolana entin’ny governemanta vaovao manoloana izay fahatapahan-jiro sy rano mandrifatra eny an-toerana izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT