Sosialy

Boriboritany fahadimy Ankizy 4 no matin’ny trano nihotsaka


  • Zoma 21 Janoary 2022

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny amin'ireo toerana ahitana traboina omaly ny Solombavambahoaka lany teny amin'ny boriboritany fahadimy,

 Naivo Raholdina, sy ny Sefo distrikan'ny TANA 5 ary ny Sefo Fokotany. 4000 no isan'ny traboina eny amin'ny boriboritany faha 5. Ankizy miisa 4 no matin’ny trano nihotsaka vokatry ny ora-mikija teny an-toerana. Ny 2 teo Manjakaray ary ny 2 hafa teo Nanisana. 18 taona no zokiny indrindra ary 1 taona no kely indrindra. Nitondra izay voatsirambin’ny tanany ity solombavambahoaka ity hanampiana ireo traboina. Isany ny filana an-davan’andro toy ny vary sy voamaina. Ho tsinjaraina araka ny filana sy ny fandaminana izany, hoy ny fanazavana. Nisy koa ny goailaka namefena ny toerana hipetrahan'ireo tsy manan-kialofana ireo. Manentana hatrany ny rehetra hiala amin'ny toerana ahiana hitera-doza amin'izao fotoanan'ny orana izao toy ireo trano ahiana hirodana sy toerana manamorona renirano sy feliloha ity solombavambahoaka ity sy ireo mpiara-miasa aminy tonga teny an-toerana ka hitandrina fatratra ialana amin'ny favoazana samihafa.
J. Mirija
Legende: Ny depiote Raholdina sy ny ekipany nidina teny an-toerana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT