Sosialy

Boriboritany faha-5 Nahazo fanampiana ireo tena sahirana


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena nahazoana ny fahaleovantena izao dia mitohy hatrany ny fanampiana ireo tena sahirana ao amin’ny boriboritany fahadimy tanterahan’ny fikambanana mpanao asa

soa Fanantenana FAFI 5, tarihin’ny filohany, Hanitriniala Raholdina. Ireo tena sahirana aman-jatony ao amin’ny fokontany Soavimasoandro no nanombohana izany ary tohizana amin’ireo fokontany hafa anatin’ny boriborintany fahadimy ihany koa toy ny mahazatra azy ireo nandritra ny 15 taona naha ara-panjakana ny fikambanana, raha efa ho 20 taona mahery no nanaovan’izy mivady asa soa teny an-toerana, hoy ny fampitam-baovao. Tsy nanadino ary tsy hanadino ireo tena sahirana eny amin’ny boriborintany fahadimy ny fikambanana Fanantenana FAFI 5 ary izay no antom-pisiany sy nijoroany, hoy ny filoha Hanitriniala Raholdina. Vary, menaka, savony sy ny maro hafa ary amin’ny maha fetim-pirenena sy fetin’ny ankizy koa ny volana jona dia nanome “Arendrina”vita Malagasy ho an’ny zanak’izy ireo izy noho ny efa fijoroan’ny “Fondation Fanantenana” dia tsy amin’ny andro fety toy izao ihany ny fanampiana ireo “tena sahirana” fa mitohy sy misandrahaka amin’ny sehatra maro toy ny fampianarana, fitsaboana, fiarovana ny zon’izy ireo ny fikambanana mpanao asa soa, Fanantenana FAFI 5, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT