Sosialy

Boriboritany faha-5 Hentitra ny fanarahamaso ny fizarana vatsy tsinjo


  • Zoma 29 Jolay 2022

Tontosa ny alarobia teo ny fizarana vary tsinjo ho an'ny vahoaka sahirana natao teny amin'ny Coliseum Antsonjombe ho an’ireo mponin’ny boriboritany fahadimy.

Mijery ny fiainan'ny vahoaka madinika hatrany ny fitondram-panjakana, hoy ny depiote foafidy teny an-toerana, Naivo Raholdina, raha mamendrofendro vahoaka amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana tsy azo ihodivirana fa tranga manerantany ny mpanohitra. Kendrena ahazo avokoa ny sahirana rehetra, hoy izy, ary efa fantatra amin'ny fangaraharaha amin'ny fifantenana ireo tena mila izany koa moa ny ety amin'ny Boriborintany fahadimy. Hentitra amin'ny fandrafetana io lisitra io aho ary nahazo ny laharana voalohany amin'ny fangaraharahan'ny fizarana vary tsinjo araka ny antotan’isa navoakan’ny “Transparency international”, hoy hatrany ny tenany. Olona miisa 3000 hatramin'ny 5000 isaky ny boriboritany no hisitraka izao fanampiana izao hoy ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika izay manara-maso ny fizarana. Nanotrona ity fizarana vary tsinjo ity ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika, ny solombavam-bahoakan’ny boriborintany fahadimy, Naivo Raholdina, ny lehiben’ny distrika eny amin’ny boriboritany fahadimy, ny delegen'ny boriborintany fahadimy ary ireo sefo Fokontany eny an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT