Sosialy

BORIBORINTANY VOALOHANY Nodiovina ny tanàna


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Norarahana fanafody famonoana bibikely iadiana amin’ny otrikaretina avokoa rehefa voadio ny ankamaroan’ireo tanàna tao amin’ny Boriborintany voalohany, omaly.

 

 

 

 

Voakasik’izany ny
tsena, ny toeram-pivoahana, ny lalam-bahoaka, ny biraom-pokontany ka ny departemanta misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo ekipa teknika eo anivon’ity Boriborintany iray ity no nanatanteraka ny hetsika. Ho an’ny fokontany Antohomadinika sy ny manodidina manokana, toerana izay tena mampitaraina ny maro dia  ranom-panafody 128 litatra teo no lanin’ireo mpanadio  tamin’ny fanatanterahana ny asa. Tanjona ny hahafahana miaro ny fahasalamam-bahoaka, indrindra manoloana ireo fako miparitaka. Ezahina hatao isam-bolana moa  izao hetsika izao, mba ho tombontsoam-bahoaka.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT