Sosialy

Boriborintany voalohany Nodiovina ireo lakandrano madinika


  • Talata 21 Mey 2019

Hamafisina sy tohizina hatrany ny fanadiovana ireo lakandrano madinika eny anivon’ireo faritra iva eto an-drenivohitra.

 

 

 Omaly  alatsinainy 20 mey  dia fokontany miisa dimy eo  anivon’ny Boriborintany voalohany no nanatanterahan’ireo mpanadio tanàna izany toy ny  fokontany Antohomadinika Afovoany, III- G Hangar, Andavamamba Anjezika I-II sy Andohatapenaka I izay mbola hitohy anio talata. Hita nandritra ity asa fanadiovana natao ity fa mbola maro amin’ireo mponina eny amin’ny faritra iva no manary fako any anaty tata-drano, antony nanaovana ny hetsika. Nisy araka izany ny fanentanana nataon’Atoa Maminiaina Rakotonirina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Boriborintany I tamin’ireo mponina. Nambarany fa loza mitatao ho an’ireo mponina monina amin’ny faritra iva ny fanao ratsy  tahaka izany, indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra ka ilàna fitandremana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT