BORIBORINTANY VOALOHANY

Niaina tao anaty rano sahady ireo Fokontany 44


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Ny boriborintany voalohany, kaominina Antananarivo renivohitra no anisan’ny faritra mijaly indrindra

rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Tsy latsa-danja amin’izany ny boriborintany fahaefatra izay tsy maintsy hitaingenan’ny mponina posiposy na sarety amin’ny sarany 1.000 ka hatramin’ny 2.000 Ar mihitsy mba tsy hijoboana ao anaty rano maloto. Ho an’iny afak’omaly Alatsinainy iny izay mampiraraka izaitsizy ny ranon’orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia efa niaina tao anaty rano avokoa ireo mponina tao anatin’ireo Fokontany miisa 44 mandrafitra ny Boriborintany voalohany. Naharitra ora iray na roa izany vao nihena izay vao afaka nivoaka ny tokantranony ny mponina. Eo an-daniny anefa raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny delegen’ity Boriborintany iray ity dia efa mandeha foana ny asa fanadiovana ny tata-drano izay hiarahana amin’ny sampandraharaha ara-teknika sy ny kaominina ary ny Fokontany misy ilay ranobe. Izany no natao hoy izy dia hisorohana ny rano tsy ho tonga any an-tokantranon’ireo mponina. Raha sanatria kosa anefa hoy izy ka misy ireo traboina vokatry ny habetsahan’ny ranon’orana latsaka dia tsy maintsy hiarahana amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fanapahana ny toerana hametrahana azy ireny mandrapidinan’ny rano soa aman-tsara. Pati
Legende : Vao manomboka dia efa ranobe tahaka izao sahady no iainan’ny mponin’Antananarivo renivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT