Sosialy

Boriborintany voalohany Mijaly amin’ny lalankely ny mponina…


  • Talata 07 Mey 2019

Mijaly amin’ny lalankely ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny Boriborintany voalohany, indrindra fa ireo faritra iva.

 

 

 Rehefa fotoam-pahavaratra izy ireo dia voatery mirobo-drano hatrany na mampiasa lakana mihitsy toy ny eny Ankasina, hany ka maro ireo lasibatry ny aretina, indrindra fa ny zaza amam-behivavy ankoatra ireo traboina.  Manana olana goavana ihany koa ny mponina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Noho ny tsy fisian’ny asa ho an’ny tanora mantsy dia marobe ireo lasa manaotao foana ka manendaka sy mangalatra etsy sy eroa, hany ka lasa faritra mena ny eny 67 ha sy ny manodidina. Mila olona tena vonona ny hitondra ny hetahetany marina, araka izany, ireo vahoakan’ny Boriborintany voalohany, antony nanosika an’Atoa Jacques Arinosy, nidina ifotony teny an-toerana, omaly.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT