Taorian’ny fandalovan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana teny amin’ny Boriborintany fahenina ny zoma lasa teo dia nirotsaka nanadio ny lalana rehetra sy ny lalan-drano
ary ny tatatra teo amin’ny fokontany Ambohimiadana atsimo ireo ekipa eo anivon’ity Boriborintany iray ity ho fisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano. Nisy ihany koa ny fanadiovana ny manodidina ny “bassin” fanasan-damba teny an-toerana narahina fanaovana ny tombana na “devis” ny amin’ny fahasimban’ity fotodrafitrasa iray ity hahafahana manarina azy. Mbola betsaka ihany mantsy ireo renim-pianakaviana mivelona amin’ny asa fanasan-damba eny an-toerana. Ny hahafahana manatsara ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro moa no tena tanjona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.