Sosialy

Boriborintany fahenina Nilatsaka nanadio ny ekipa teknika


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Nandritra iny rotsak’orana nifanesy teto an-drenivohitra iny dia tsy nikoriana ara-dalàna ny rano noho ny fahatsentsenan’ny lalandrano teto amin’ny boriborintany fahenina. Ahiana ho vokatry ny fotaka sy ny fako izay manentsina ny tatatra izany. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny ekipa teknikan’ny boriborintany fahenina, nanatanteraka ny asany omaly teny amin’ny fokontany Tsararay nanadio sy nisikotra ireo fako sy fotaka manentsina ny tatatra sy lalandrano. Anisan’ny asa nataon’izy ireo ihany koa ny fanoratana ny ora fanariana fako sy fiandrasana ny bakan-jaoridira isak’alina, toy ny any amin’ny boriborintany hafa. Anisan’ny ampahatsiahivin’ny kaominina andavanandro amin’ny mponina  ny ora fanariana fako dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT