Sosialy

Boriborintany fahefatra Hiezaka hizara sakafo hatrany


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Olona sahirana miisa 300 no nisitraka ny fanomezan-tsakafo maimaimpoana teny amin’ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, izay nokarakarain’ny boriborintany fahefatra, ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Ny sampandraharahan’ny fiahiana ny fokontany moa no nandray andraikitra feno tamin’izany. Vary amin’anana miampy laoka no natolotra ireo mponina sahirana. Tonga nanatrika teny an-toerana, nisolotena ny ben’ny tanàna, Lalao Ravaloanana, ny mpanolotsain’ny tanàna voafidy teny amin’iny boriborintany iny, Ezekiela Ralaimoria. Ny fitsinjovana ny sahirana ara-pivelomana toy izao, hoy izy, dia ao anatin’ny toromarika nomen’ny Ben’ny tanàna. Ny ezaka dia mbola hotohizana hatrany manerana ireo fokontany izay mandrafitra ny boriborintany fahefatra.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT