Sosialy

Boriborintany fahatelo Raikitra ny fanadiovan-tanàna


  • Zoma 30 Novambra 2018

Nanadio ny faritra manodidina an’i Behoririka sy Magro ny avy ao amin’ny Boriborintany fahatelo Kaominina Antananarivo Renivohitra omaly alakamisy 29 novambra, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny

 

 

vinan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia ny mba hanana tanàna madio. Efa nanomboka ny alin’ny alarobia ny asa  fanadiovana, izay notanterahin’ny kaominina sy ny SAMVA. Nisy ny famafana ny lalana, ny fandraofana ny fako, ny fisokirana tatatra tsentsina, ny fisorohana ny ahitra ary fanadiovana ny manodidina ny “bac à ordures”, izay avy nanesorana ny fako. Ny hanamaivanana ny fiparitahan’ny fako no tanjon’ny kaominina,  eny fa na dia any  anatin’ny lalankely sy  eny amoron-dalana aza. Manentana hatrany ny mponin’Antananarivo ny  delegen’ny boriborintany fahatelo Atoa Hery Razafintsalama mba hanaja hatrany ny ora fanariana fako, izay manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora. Mbola hitohy anio zoma eny amin’ny fokontany Ambohitrakely moa  izao asa fanadiovana izao.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT