Sosialy

BORIBORINTANY FAHATELO Nohavaozina ny fomba fiasa iadiana amin’ireo mpanao kolikoly


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Nohavaozina tanteraka ny fomba fiasa eo anivon’ny boriborintany fahatelo mba hifanaraka amin’ny veliranon’Iarivo, raha araka ny

 

 

fanazavan’ny lehiben’ny boriborintany vaovao ao an-toerana Ramiandrisoa Lalaina.  Ao anatin’ny ora iray dia vita  ny « bulletin de naissance » na fanamarinam-pahaterahana raha tsy maintsy miandry 24 ora kosa izany  ho an’ireo maka kopia lava. Tsy maintsy mbola karohina mantsy ny boky mirakitra ny anaran’ilay olona hakana ilay kopia, hoy ity tompon’andraikitra ity. Vita eo no ho eo kosa raha araka ny fanazavany hatrany ny “certification » sy ny « legalisation » izay  nosarahina mihitsy ireo tompon’andraikitra misahana izany raha nitambatra teo aloha. Nampitomboina ihany koa ireo olona mandray an-tanana ireo mpikarakara antontan-taratasy hisorohana ireo mpanera mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanaovana kolikoly ka manakorontana ny fizotry ny asa eny anivon’ny boriborintany. Tsiahivina moa fa efa nasiana “accueil” ihany koa na fandraisana eo anivon’ny Boriborintany fahatelo, hahafahana manoro lalana na hevitra ireo olona tonga mikarakara taratasy ao an-toerana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT