Sosialy

Boriborintany fahatelo Nodiovina ny tatatra ho fisorohana ny rano miakatra


  • Talata 11 Desambra 2018

Manoloana ny mety ho fiakaran’ny rano matetika eny amin’iny faritra Mahavoky Besarety iny, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia nanadio ireo tatatra hivarinan’ny rano maloto ny Boriborintany fahatelo,

 

 

 

 Kaominina Antananarivo Renivohitra , omaly alatsinainy. Niara-nientana tamin’ny fanatontosana izany ny  Direction des Travaux Publics (DTP), ny Equipe Spécialisée d’Assainissement (ESA), ny SAMVA ary ny ekipa teknika  ao anatin’ity Boriborintany iray ity. Lakandrano manodidina ny 100 m no nodiovina, asa  haharitra dimy andro, hitohy hatrany Avaradoha. Araka ny nambaran’Andriamatoa  Andrianaivojaona Lova Minoharisoa, Chef de service Tehnique eo anivon’ny Boriborintany fahatelo dia fanombohana ihany izao asa izao hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina ny amin’ny mety ho fiakaran’ny rano, indrindra fa ny eny Besarety sy ny manodidina. Maharitra ora roa mantsy ny rano eny vao ritra rehefa avy ny orana. Efa misy hatrany ny asa fanadiovana tanterahin’ny kaominina eny an-toerana saingy tsy ampy.  Miantso  ny rehetra mba tsy hanary fako anaty tata-drano ny Boriborintany fahatelo fa hanatona hatrany ireo dabam-pako lehibe ireny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT