BORIBORINTANY FAHATELO

Hotsinjovina manokana ireo zokiolona


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Hotsinjovina manokana ireo zokiolona ao anatin’ny Boriborintany fahatelo manomboka izao

raha tsy dia nisy mpijery firy hatramin’izay. Nihaona tamin'ireo solontenan'ny zokiolona ao anatin’ny Boriboritany fahatelo, tarihin'ny filohany Andriamatoa Honoré ny delegen’ity Boriborintany ity Rtoa Razafimandimby Rija Ethel omaly Alarobia 28 Febroary. Izany no natao dia mba hahafahana miresaka ny fifampitaizana tokony hapetraka sy ny fampandrosoana tsy maintsy hatao eo anivon'ny Boriboritany. Ilaina hatrany mantsy ny maka ny hevitr’izy ireny amin’ny maha-Raiamandreny sy ela nietezana azy ankoatra ny fijerena manokana ny fiainan’izy ireny. Tsy vitsy mantsy ireo zokiolona mipetra-drery sy miady irery amin’ny fiainana amin’izao na dia manan-janaka aza noho ny hasarotan’ny fiainana. Hijery azy ireo ny delege vaovao noho izany, asa izay hanomboka tsy ho ela. Tsiahivina moa fa efa natomboky Razafimandimby Rija Ethel tamin’ny fizarana sakafo masaka ho an’ireo zokiolona nanerana ny Boriborintany 6 eto an-drenivohitra ny fitsinjovany azy ireny tamin’ny volana Desambra taona 2023 lasa teo.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT