Sosialy

Boriborintany fahatelo Hentanina tsy hanaparitaka fako ny mponina mandritra ny fety


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Manao hetsika manokana amin’ny fanadiovana ny tanàna ny Boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao.

 

 

 Ny mba hahafahana manana tanàna madio sy maha te honina lalandava no tanjona amin’izany, iarahan’izy ireo miasa miaraka amin’ireo fiaraben’ny SAMVA miisa 11 sy ny kaominina. Arahin’izy ireo  fanentanana ny mponina  manokana izany, hoy Razafintsalama Hery, delegen’ny Boriborintany fahatelo. Hampianarina hatrany ny mponina tsy hanary fako etsy sy eroa, indrindra amin’izao andro fety izao ka hanangona izany amin’ny fitoerany ao an-tokantrano ary mamonjy ireo daban-jaoridira isan’andro manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina. Ny tsy fanajana ireo fe-potoana ireo ihany koa mantsy no anisan’ny miteraka ny fiparitahan’ny fako etsy sy eroa ka mampijaly ny kaominina sy ireo mpiasan’ny SAMVA. Tsiahivina moa fa saika hanaovana fanentanana tahaka izao avokoa ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra. Nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo mpiasan’ny eo anivon’ny Boriborintany fahatelo ny faran’ny herinandro teo naharina fitsinjovana manokana ireo sahirana ara-pivelomana.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT