Sosialy

Boriborintany fahatelo Hahazo fotodrafitrasa miavaka izay tanàna tena madio


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Raikitra ny fifaninanana tanàna madio, eo anivon’ny Boriborintany fahatelo. Mialoha ny hanatanterahana ilay tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa entina hanatsarana ny tanànan’Antananarivo no hanatontosa izany, mba hampisy lanja ny fotodrafitrasa mitsangana.

 

 

 

Hovatsian’ny mpiara-miombon’antoka vola mantsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, entina hanatanterahana izany. Fanamboarana  sekoly ambaratonga fototra, sekoly ambaratonga faharoa ary lisea no hatao, miampy toeram-panasan-damba izay mbola mamelona fianakaviana maro eto amintsika. Nisy ny  fivoriana notarihin’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fokontany miisa 36  ao an-toerana, omaly. Ny 15 oktobra ho avy izao moa ary haharitra efa-bolana, no hanatanterahana an’ity tetikasa fifaninanana tanàna madio ity, ho azy ireo. Izay  Fokontany voalohany hibata ny amboara amin’izany no hahazo ny fotodrafitrasa voalohany sady hahazo tombony bebe kokoa amin’ny rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT