Sosialy

Boriborintany faha-4 Zazalahy kely 60 isa natao didimpoitra faobe


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Zazalahy kely miisa 60 no natao didimpoitra faobe omaly zoma 24 aogositra tao amin’ny CSB II Namontana, niarahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nitarika ny hetsika teny an-toerana Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel, delegen’ny boriborintany fahefatra notronin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ireo ekipa avy tao amin’ny BMH (Bureau Municipal d’Hygiène).  Ny  dokotera Rakotoarivelo Nirivo Solofohajaniaina no nitarika ny hetsika. Taorian’ny fandidiana  dia nanolotra malabary sy kilalao ary bisikoitra ho azy  60 mirahalahy ireo ny boriborintany fahefatra.  Tsy niasa irery ny kaominina Antananarivo teo am-panatanterahana izao hetsika izao, fa nisy ny mpiara-miombon’antoka izay nanome fanampiana ara-panafody toy ny « Pharmacie de Namontana ». Tafiditra indrindra ao anatin’ny vinan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana moa izao didim-poitra faobe izao, ho fitsinjovana  hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT