Sosialy

Boriborintany faha-4 Olona 800 nozaraina kopia maimaimpoana


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Mbola maro ireo olona tsy manana kopia mari-pahaterahana eto amintsika. Lohalaharana amin’ireny ny ankizy madinika izay efa tokony handia ny varavaran-tsekoly.

 

 

 Mba ho fanajana ny zon’izy ireny sy hahatonga azy ho tena olom-pirenena manana ny zony feno dia nizara kopia mari-pahaterahana maimaim-poana ny Boriborintany faha-4, kaominina Antananarivo renivohitra. Olona miisa 800 no nisitraka izany izay fantatra fa tsy mbola nanana kopia mari-pahaterahana hatramin’izay nahaterahany mihitsy. Vokatry ny fiaraha-miasan’ity Boriborintany iray ity tamin’ny fikambanana Koloaina no angady nanana sy vy nahitana izany. Faly tamin’izao hetsika goavana nataon’ny roa tonta entina hanampiana ny mpiara-belona izao moa ireo vahoakan’ny Boriborintany faha-4. Maro tamin’ireo ankizy tokony hianatra amin’ity taona ity mantsy no saika tsy afaka ny handia ny varavaran-tsekoly noho ny tsy fananany kopia.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT