Sosialy

Boriborintany faha-4 Ankizy miisa 80 no vita hasoavana faobe maimaimpoana


  • Talata 02 Jolay 2019

Notontosaina ny sabotsy teo indray ny didimpoitra faobe tao anivon’ny Boriborintany fahefatra, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), anampiana ireo fianakaviana sahirana manana zazalahy kely hoforaina .

 

 

 Hetsika andiany faha-2 io tamin’ity taona 2019 ity. Nahatratra 80 ny isan’ireo ankizy vita hasoavana, ireo ankizy eo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 8 taona no nahazo ny anjarany tamin’izany. Isaorana manokana Ramatoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, fa noho ny fangatahan’ireo mponina tsy nahatratra ny andiany voalohany no antony nanaovana ity hetsika faharoa ity, koa dia tsy nikely soroka ny teo anivon’ny Boriboritany faha-4 nananteraka izany, hoy ny delege Solofo Ramahandrimanana. Maro ireo mpiara-miombon’antoka nanampy  toy ny teo anivon’ny Mère et enfant, izay nanome ireo mpitsabo nanao ny famorana, ny SOPHARMAD sy ny INTERPHARMA, izay nanome ireo fanafody nentina nanatanterahana ny fandidiana,   ary ny teo anivon’ny orinasa  JB  sy ny Nutrizaza, nanome ireo vokatra ara-tsakafo hoentin’izy ireo atao vatsy. Tsy adino hatrany ny anjara biriky ny teo anivon’ny Boriborintany dia ny  fanomezana ireo kilalao maro samy hafa, niampy malabary an’ireo ankizy rehetra. Raha tsiahivina dia efa maro ireo asa sosialy izay efa notontosain’ny teo anivon’ny Boriboritany fahefatra toy ny  ny fizaham-pahasalamana   maimaimpoana,  fizarana kopia, kara-panondro. Tsy hijanona hatreo anefa ny asa sosialy toy izao fa efa manomana ny hetsika manaraka indray izy ireo dia ny   mariazy faobe sy ny  fizaham-pahasalamana miampy   fizarana fanafody ka handraisan’ny Lefitra voalohan’ny Boriborintany fahefatra,  Dokotera Rambolamasoandro, an-tanana manokana ny  hetsika fitsaboana.

   

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT