Sosialy

Boriborintany faha-3 sy faha-5 Lakandrano mirefy 1,300 km nodiovin’ny CUA


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Teny amin’ny lakandrano Andrianampoinimerina mirefy 1,300 km ao amin’ny boriborintany faha-3 sy faha-5, kaominina Antananarivo

Renivohitra (CUA) omaly no nanohy ny asa fanadiovana tanterahiny ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo noho ny tondra-drano nifanesy, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Niara-nisalahy nanatanteraka izany avokoa ireo ekipa teknika sy “agent d’assainissement” avy eo anivon’ny Boriborintany, ny Equipe Spécialisée d’Assainissement (ESA) eny Antsakaviro, ny  RF2 (Rafitra Fahadiovana sy Fidiovana), ny mpivarotra, ny CUA boriborintany faha-3 sy faha-5, ny DTP na ny asa vaventin’ny CUA. Tanjona ny hikorianan'ny rano ara-dalàna sy ny hisorohana ny fiakaran'ny rano amin’ny faritra iva rehefa avy ny orana, avy eny Besarety, Mascar, Andravoahangy, Manjakaray ka hatreny Marais Masay. Nodiovina ny lakandrano, notapahana ireo lobolobo, nesorina ireo  fako manentsina sy manakana ny fikorianan’ny rano. Tonga nijery ny fizotry ny asa ny Lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Olivier Randrianarisoa, ny delegen’ny Boriborintany faha-3 Hery Razafintsalama, ny delegen’ny Boriborintany faha-5 Rakoto Richard Emmanuel, niara-nijery ifotony izay ho vahaolana amin’ny fiakaran’ny rano miainga avy eny Besarety ka hatreny Manjakaray II C. Nambaran’Atoa Rakoto Emmanuel Richard fa tsy hifarana izao hetsika izao raha tsy madio tanteraka ny lakandrano miainga eny Manjakaray ka hatreny amin’ny Mascar. Marivo dia marivo ny lakandrano ka mila halalinina mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara mihazo an’i Marais Masay. Tetsy an-daniny, Atoa Rasolondrainibe Josias, tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Gestion des Risques et Catastrophes (GRC) dia manentana hatrany ny mponina tsy hanary fako any anaty tatatra sy ireny rano mandeha ireny hisorohana ny fiakaran’ny rano.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT