Sosialy

Boriborintany faha-2 Afa-pahasahiranana ireo mpanasa lamba


  • Zoma 14 Desambra 2018

Afa-pahasahiranana ireo mpanasa lamba ao amin’ny fokontanin’i Manakambahiny sy Ambatomaro ary Ankerakely sy Ambohipotsy Amparihy amin’ny boriborintany faha-2 ankehitriny fa natolotry ny depiote Rastany avy amin’ny antoko TIM sy Atoa Sedera

 

 

mpanolotsain’ny kaominina “CM” ao amin’ity boriborintany ity, izay iraka manokan’ny kandida Marc Ravalomanana n°25 omaly alakamisy 13 desambra 2018 tamin’izy ireo, ny toeram-panasan-damba sy fidiovana “bassin lavoir”nohavaozina   tao amin’ireo toerana ireo. Tena  nampijaly ireo mpampiasa  azy  tokoa teo alohoa teo ireo toeram-panasan-damba  ireo ka velom-pisaorana   ny  kandida Marc Ravalomanana n°25  ireo mponina  tamin’ny nanirahany ireo  mpiara-miasa aminy ireto nanolotra izao zava-bita ho an’ny mponina izao. Hita amin’izao, hoy ireto mpanasa lamba ireto fa  mitsinjo ny madinika tokoa  i Dada ka izay tena mahasoa  no omeny anay. Tsy nofinofy fa zavatra azo tsapain-tanana ny programan’asan’ny kandida  n°25, hoy ny depiote Rastany raha nandray fitenenana izy, asa miantraika  amin’ny vahoaka mivantana no  imasoany fa  tsy manao fampanantenana poakaty  izany izy. Ny CM Sedera indray dia nanamafy fa  tokana  ny  vahaolana, tsy misy afa tsy i Dada ihany ka aza mety hofitahina  amin’ny mena miraviravy ianareo. Ankoatra ny tentim-bidin’ny fanamboarana natao izay nitentina 1400 000 ariary dia nanolotra  savony sy tablier ho an'ireo mpanasa lamba ihany koa ireto iraky ny kandida n°25 ireto.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT