BONGATSARA

Olona 57 lasibatry ny fahapoizinana ara-tsakafo


  • Alakamisy 30 Oktobra 2025

Tafakatra 57 isa ireo olona lasibatra vokatry

ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ny alalan'ny fihinanana composé sy sandwich tao Antsahalava, Fokontany Ambolamena, kaominina Bongatsara. Ny 23 tamin'ireo no tsy maintsy nampidirina hopitaly tetsy amin'ny HJRA Ampefiloha ary efa nivoaka afak'omaly Talata 27 Oktobra hariva. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Ministeran'ny Varotra tamin’ilay mpivarotra sakafo masaka tao Antsahalava dia efa 6 taona mahery no nivarotany, ary tsy mbola nisy tranga toy izao nandritra izay fotoana izay. Tsy mitahiry sakafo tsy lany izy ireo, fa manome avy hatrany ho an’ny kisoa izay sisa tavela kosa. Alahady no nihinanan’ny olona tao amin’ilay gargoty ilay sakafo saingy ny Alatsinainy kosa vao niseho ny soritr’aretina. Nisy ihany koa anefa olona tsy nihinana tao amin'io tsena io nefa narary ihany, ary anisan’ny marary ihany koa ny fianakavian’ireo mpivarotra sakafo masaka. Tsiahivina moa fa nahazo fitsaboana sy fanafody maimaim-poana tao amin’ny CSB II Anjomakely avokoa ireo narary rehetra. Araka ny toromarika avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia hisy fitsirihana sy fiofanana manokana ho an’ny mpivarotra sakafo rehetra ao amin’ny Kaominina Bongatsara anio Alakamisy 30 Oktobra.
Pati
Légende : Teto amin'ity hopitaly ity no noraisina an-tanana voalohany ireo narary rehetra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT