Sosialy

Bodofotsy ratsy kalitao avy any Sina Norovitina teo imason’ireo Sinoa


  • Zoma 15 Martsa 2019

Taorian’ny Indonezia dia tonga niaro ny anjara-tsenany amin’ny fandefasana entana aty Madagasikara ihany koa i Sina.

 

 

Anisan’ireo firenena manana tombotsoa sy anjara tsena goavana amin’ny fandefasana ny vokatra mankaty izy ireo. Delegasiona miisa 7 izay notarihin’ ny filoha lefitry ny Tranoben’ny Varotra Sinoa momba ny Lamba (CCCT), Andriamatoa Wang Yu no tonga nitsidika tetsy amin’ny biraon’ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) tetsy Antanimena. Solontenan’ny mpanondrana, mpanamboatra ary mpanafatra bodofotsy Sinoa hiaro ny tsena efa azony eto Madagasikara no tonga nangata-panazavana ny amin’ny fepetra fiarovana napetraky ny ANMCC tamin’ny septambra 2018. Tsiahivina fa nandray fepetra vonjimaika fanatataovana haban-tseranana tamin’ny fanafarana bodofotsy ny ANMCC ary voakasika tamin’izany i Sina. Nifampiresaka sy nifampiraharaha ary nohainoana ny fanamarihana rehetra nataon’ireto Sinoa manodidina ireo fepetra vonjimaika noraisina taorian’ny fanadihadiana ireo. Nanamarika hatrany anefa ny orinasa mpanao bodofotsy Malagasy (SOMACOU), izay notohanan’ny Sendikan’ny Indostria Malagasy (SIM) fa miteraka fahavoazana aminy ny fampidirana ireo entana vahiny ireo ka tokony hatao fepetra raikitra mihitsy ireo fepetra fiarovana ireo. Nafana tanteraka ny ady hevitra. Tonga hatramin’ny tsy fahafalian’ny mpamokatra Malagasy izany ary naseho sy norovitina teo imason’ireto sinoa ny bodofotsy avy any Sina nanehoana ny faharatsian’ny kalitao. Nanelanelana  ny ANMCC ary  nanome fotoana ny mpifanandrina  handikana an-tsoratra ny hetahetan’ny tsirairay mba handinihana ny fanapahan-kevitra farany.

 

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT