Sosialy

Bodo Mpihira Hizara fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy miisa 430


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Tafiditra tanteraka anaty fahasahiranana ny Ray aman-dReny ankehitriny manoloana ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Hijery manokana ireo tena sahirana i Bodo amin’ny alalan’ny fikambanana Humanity Generosity Hug izay natsangany.

 

Ankizy sahirana miisa 430 no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany.Omaly talata 20 oktobra no nanomboka niasa ny fikambanana. Nitsinjara ireo fitaovana sy nametraka anarana no nataony tamin’izany teny amin’ny foiben-toerany eny Tsiadana raha hanomboka anio alarobia kosa ny fizarana. Eny Ankazomanga no hisantarana izany anio maraina, hitohy eny Ankarondrano Andrefana. Hitohy eny Tsiadana izany rahampitso Alakamisy maraina raha eny Ampandrana amin’ny hariva. Ho an’ny andron’ny zoma kosa dia eny Ambohibary ny maraina, izay mety mbola hiova kely miankina amin’ny fandaminana. Tsiahivina moa fa fikambanana mpanao asa soa ny Humanity Generosity Hug. Vao natsangan’i Bodo mpihira tamin’ity taona ity izy hanampy sy hanasoa ireo tena sahirana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT